Maro ny olana saro-bahana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. «Tokony haverina sy homen-danja ny rafitra fokonolona eny anivon’ny fokontany», hoy ny sefo fokontanin’ Anosizato Atsinanana, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, manoloana ny olana sendrain’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao. Misy fokonolona manao tsinontsinona ny fiarahamonina. Misy indray ireo tena te handray andraikitra. Nambarany fa ahoana no hametrahana ny rafitry ny fokonolona amin’ny fikajiana ny fananana iombonana, toy ny lakandrano, tsy fanariana fako any anatin’ireny lakandrano ireny, satria miteraka fahatsentsenana izany ka dibo-drano tanteraka rehefa fotoam-pahavaratra toa izao. «Tsy misy afa-tsy ny fanomezan-danja ny rafitra fokonolona satria io ihany no afaka mampandroso ny firenena. Rehefa mandray anjara amin’ny fikarakarana ny fiarahamonina ny fokonolona, azo heverina fa misy akony any amin’ny fampandrosoana ny firenena manontolo koa izany», hoy izy. Nohamafisiny hatrany fa tokony hipaka any amin’ny isan-tokantrano ny fampandrosoana miainga ao anatin’io rafitra fokonolona io.
Jean Claude