Nanatanteraka fifidiananana ny ho filohan’ny federasiona ny eo anivon’ny taranja kung fu Wushu, ny faran’ny herinandro teo, tetsy 67Ha. Mbola nomen’ny ligy fitokisana Ramaherison José na ny Maître Gao, ka nolanian’ny ligy 7 hitantana ny federasiona mandritra ny 4 taona manaraka indray. Ligim-paritra 7 (Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Atsimo andrefana, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Matsiatra Ambony) no tonga nandatsa-bato nandritra ity fifidianana ity. Kandidà tokana moa ny Maître Gao. Hiezaka hampivoatra hatrany ity taranja ity ny tenany sy ny ekipany. Hovitaina avokoa ireo fandaharanasa napetraka. Vonona ihany koa hanampy sy hanolo-tanana ireo ligy izy fa mila mifampiresaka tsara amin’ny federasiona ireo mpitantana. Tamin’ity fotoana ity koa no nanolorana ny diplaoman’ireo Sifu kalaza eo amin’ny taranja Wushu avy amin’ny Temple de Shaolin, izay 2e Duan sy 3e Duan. Raha ny fantatra, 12 no nanao fangatahana saingy efatra ihany no nivoaka tamin’ ity andiany voalohany ity. Tonga nanotrona sy nankato ity fifidianana ity ny eo anivon’ ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary ny Komity Olympika malagasy. Niarahaba ny Maître Gao tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny Federasiona iraisam-pirenena any amin’ny Temple Shaolin, any Chine. Nankasitraka ary nampanantena ireo ligy ity filohan’ny federasiona ity fa hampiakatra hatrany ny lentan’ny taranja kung fu wushu ary vonona ny hifanampy amin’ izy ireo.
Mi.Raz