Anisan’ny vaovao goavana hivoaka ato ho ato ny mahakasika ny fankatoavana na tsia ny kianja Barea, Mahamasina. Samy miandry anaty fitaintainana avokoa ny olom-pirenena rehetra sy ny mpankafy baolina kitra. Tsy mbola misy ny vaovao amin’ny fomba ofisialy nivoaka avy any amin’ny Kaonfederasiona afrikanina momba ny baolina kitra.
Ny resabe eny an-jorony sy ny honohono no efa mahoraka. Tsy misy mbola sahy miteny mivantana anefa na “eny” na “tsia”. Tsy ilaozan’izay mpamendrofendro sy mpamadi-dresaka hoentina manakorontana saim-bahoaka ihany koa anefa. Mahavariana fa betsaka no mahita volana alohan’i Habib. Mahita izay any anaty vilan’ny Caf.
Olan’ny Malagasy ankehitriny, betsaka ny tsy mba mahandry tantana. Te hangarom-bilany mialoha ny mpanokona. Miteraka lesoka goavana amin’ny famoaham-baovao tena marina izany. Ny honohono sy ny tsaho no miely mialoha, miteraka onja miiba. Hany ka, misy fiantraikany ratsy amin’ny lafin-javatra maro.
Mahakasika manokana ny vaovaon’ny kianja Barea? Miandry am-pitoniana no mety. Tsy ho ela intsony izany raha ny vaovao ofisialy voaray. Miandry ny taratasy sisa ny tomponandraikitra malagasy dia afaka mitsambikin-kafaliana, na hisafontan-katezerana, na hitanondri-dranomaso. Tsy misy izay mahalala ny fonosin’ilay tatitra nataon’ny teknisianina afrikanina aloha hatreto.
Marina fa samy sasa-miandry, takina kosa anefa ny hananana ny faharetana. Izay maharitra hono no ho vady handriana, ka asakasak’izay mihazakazaka tratry ny miadana eo. Tsy misy tsara mihoatra ny miandry ny vaovao marina sy avy amin’ny tomponandraikitra voalohany. Ankoatra ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, manana ny ambarany ihany koa ny Sekreteram-panjakana miandraikitra ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
r.r