Ranon’Ikopa: Lehilahy iray maty an-drano tetsy Anosizato

Lehilahy iray, 50 taona, hita faty tao anaty ranon’Ikopa, tetsy Anosizato Andrefana, omaly tamin’ny 11 ora atoandro. Nikasa hisasa tamin’io rano io izy no nilentika tam­poka, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso. Nanala ny akanjo teny an-kodiny izy ary nisasa teo amoron’ny rano, ambony vato. Mbola be olona teny an-toerana tamin’io fo­toana io. Nibolisatra tampoka ka tafalentika tamin’ny toerana lalina izy. Niantso vonjy ny mponina teny amin’ny manodidina rehefa nahita izany. Ni­fampisintonan’ny olona manodidina izy fa votsotra hatrany. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny mpamonjy voina. Tonga teny an-toerana izy ireo taorian’izay. Natao ny fikarohana ka naharitra ora iray teo izany. Efa maty tsy nisy aina intsony kosa ilay lehilahy vao hitan’ny sampana mpamonjy voina tao anaty rano. Tonga teny an-toerana nanao ny fa­nadihadiana sy nijery ny zava-misy ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Toy izay koa ny mpitsabo, nanao ny fi­zahana ny razana.

Sempotra tao anaty rano

“Sempotra tao anaty rano io raim-pianakaviana io ka antony nitarika ny fahafate­sany”, hoy ny sefo fokontany etsy Anosizato. Nambarany fa toerana misy fady sy tsy tia vahiny ihany koa iny rano iny ka ilaina fitandremana. Nan­gataka ny hisian’ny tobin’ny sampana mpamonjy voina eny amin’ny manodidina ihany koa izy mba hahafahana ma­navotra ireo olona sendra loza tahaka izao. Nambarany fa anisan’ny toerana ahitana olona betsaka maty an-drano eny an-toerana, indrindra amin’ izao fotoan’ny orana izao.

MIno

Partager sur: