SOMBIM-BAOVAO

Nanainga omaly, tetsy Ivato, ny delegasiona malagasy, Makis Sevens, lehilahy. Hiatrika ny “Challen­ger Series 2025” izy ireo. Fifaninanana hotanterahina manomboka anio hatramin’ny 10 marsa ho avy izao, any Cape Town Afrika Atsimo. Tsiahivina fa maro ny fanovana natao tamin’ity ekipam-pirenena ity, anisan’izany ny tsy maha eo an’i Hery Zhino, mpilalaon’ny Cosfa.

Noraisin’ny filohan’ny Federasion’ny baolina kitra ao Mauritanie, ny alatsinainy lasa teo, ny filohan’ ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, Randriama­nampisoa Alfred. Raha ny vaovao voaray avy amin’ny FMF, voaasa hanotrona ny fanombohan’ny tetikasan’ny Fifa Talent Academy sy ny asa fanavaozana ireo fotodrafitrasa any an-toerana ny tenany.

Hotanterahina ny 1, 2 ary 8 marsa izao, eny Andranobevava, ny fifaninanana taranja Echecs “Elo Fide”. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Fede­rasiona malagasin’ny taranja Echecs ho an’ity taona 2025 ity izany. Any amin’ny volana avrily kosa no hanomboka ny fifaninanam-pirenena, araka ny fanda­haram-potoana.

Anisan’ny fifaninanana ho hita mandritra ny lalao “Smacthin”, taranja basikety, hatao ny volana marsa, ny fifaninanana “Poesie”. Ho fankalazana ny faha-20 taonan’ny Slam no antony nampidirana izany ho anisan’ny ao anaty fandaharam-potoana ho amin’ity andiany faha-11 ity.

Partager sur: