Tanterahina any Kenya, nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, ho an’ny sokajy U14, lahy sy vavy. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Eo ho eo ihany ny vokatra ho an’ny mpilalaon’ny Akomba de Madagascar. Teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana, vehivavy, resy teo amin’ny dingana voalohany i Onintsoa Ramanampanoharana. Lavon’ilay kenianina, i Ashley Lila Wafula, tamin’ny seta 2 no ho 0 (4/6; 3/6) izy.
Tetsy ankilany, tafita amin’ny fihodinana faharoa Razafindrazaka Ny Avo rehefa nanilika ilay teratany kenianina, i Nathani Khalil, tamin’ny seta 2 no ho 0 ihany koa (6/1 ; 6/1). Toy ny nanaovan’Ny Avo fanazarantena fotsiny ity mpifanandrina taminy ity. Tsy nahazo afa-tsy lalao iray, tao anatin’ny seta 2 nifanandrinana. Ho an’ny lalao an’olon-droa, niondrika teo anatrehan’ireo borondey, Marei Ceila sy i Chantal Niyimbabazi, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4; 6/0), i Onintsoa sy i Matei. Manohy ny diany kosa i Ny Avo sy ilay namibianina, i Johan Théron, nanoloana ireo mpilalao avy any Ouganda, nahitana an’i Munchengeti Manzungu sy i Unathi Carl Sithole, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 7/6 (4)).
Tompondaka