Hotanterahina amin’ity taona ity ny fanadihadiana maharitra eo anivon’ny tokantrano (EPM) andiany faha-11. Fanadihadiana ahafahana mandrefy ny fivoaran’ny toe-piainan’ny Malagasy manerana ny Nosy eo amin’ny sehatra samihafa izy ity. Ao anatin’izay ny firafitry ny mponina, ny fahantrana, ny fananana asa, ny fahasalamana, ny fampianarana, ny fisitrahana angovo, ny fivelomana, sns. Hetsika ahazoana ireo antontanisa azo antoka sy marina mahakasika izany. Santionany amin’ireo tokantrano 17 000 isa manerana ny faritra 23 no hanaovana ny fanadihadiana amin’ny tapany voalohan’ny fanadihadiana. Mifangaro ao avokoa na ny mponina an-drenivohitra na ireo any ambanivohitra. Azo antoka tanteraka ny vokatra ho azo satria hampiasa ny teknolojia nivoaka farany ireo mpanao fanadihadiana voaofana. Hatao mandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona ny EPM tapany voalohany, raha atao amin’ny enim-bolana manaraka kosa ny dingana faharoa. Miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izay tohanan’ny Banky iraisam-pirenena.
Henintsoa H.