Vehivavy 27 taona, hita faty tao an-trano fonenany, omaly, tany Toamasina. Monina ao Anjoma Atsinanana, Toamasina izy. Zanaka mpitsabo ary miasa amin’ ny hotely lehibe iray any an-toerana. Fofona maimbo no nanaitra ny mpiara-monina. Nahitana ra niparitaka tao an-tranony, rehefa novakiana ny varavarana. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy. Ny zoma lasa teo izy no hitan’ny mpiara-miasa taminy farany.
Jiolahy iray maty voatifitry ny Fip sy ny UIR, afakomaly alina. Teo am-panomanana fanafihana hafa izy sy ny namany no nifanehatra tamin’ny polisy ka raikitra ny fifanenjehana. Voatifitra ny iray raha toa ka tafatsoaka nandritra ny fifandonana ny roa hafa. Anisan’ireo jiolahy namono nahafaty ilay zanaka polisy tany Toamasina izy ireo. Ankoatra izay, efa mpamerin-keloka amin’ny resaka halatra miaro vono olona sy efa nigadra intelo ihany koa izy io.
Rongony 3,3 kg sarona tetsy Imerintsiatosika, ny sabotsy 22 febroary lasa teo. Sarona nandritra ny fisavana nataon’ny zandarimaria misahana ny fifamoivoizana eo Beronono, ny fonosana harona tao anaty sakaosy. Nokasaina hamidy any an-tsenan’ Analavory ireo entana ireo. Natao famotorana eny anivon’ny mpitandro filaminana kosa ilay lehilahy 35 taona nitondra izany.
Lehilahy 7 sarona nikirakira rongony tetsy Talatamaty, afakomaly. Fitarainan’ireo mpiara-monina amin’ny fahasimban’ireo tanora sy ny tsy fahazakana ny fofon-drongony no nahafahana nisambotra ireo olona ireo. Voasambotra niaraka tamin’ireo koa ny olona roa mpivarotra sy mpifoka miisa dimy. Niaraka tamin’ireo fonosana rongony 23 isa handeha hamidy.