“Tsy misitraka ireo tolotra fototra toy ny fanabeazana, fahasalamana na trano mendrika ny 70% maherin’ny Malagasy”, hoy ny Banky iraisam-pirenena tao amin’ny « Note de conjoncture économique de Madagascar”, navoakany ny talata teo. Sokajiany ho mahantra ny 70 % ny mponina eto Madagasikara, noho izy ireo mivelona latsaky ny 2,15 dolara isan’andro. Ambany ny vokatra entina hanatsarana ny fari-piainany na dia niakatra 4,2% ny harinkarena faobe, ny taona 2024. Tombanany hiakatra 4,7 % io taha io eo anelanelan’ny taona 2025 sy 2027. Voalaza fa anisan’ny nampitombo izany ny sehatry ny lamba, ny harena an-kibon’ny tany ary ny tolotra samihafa.
Famokaran’ny orinasa
Misongadina ao anatin’ny tatitra fa ambany ny tahan’ny famokarana eto Madagasikara. Mamokatra avo telo heny noho ny mpiasa malagasy iray, hoy izy, ny ao amin’ny faritra Atsimon’i Sahara. Mahatonga izany ny elanelana eo amin’ny famatsiam-bola. Marefo ihany koa ny sampandraharaha fototra toy ny jiro sy ny rano eto amintsika, manampy trotraka ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasam-pitaterana. “Mila ampitomboina ny famoronana asa hampihenana ny fahantrana”, hoy ny tomponandraikitry ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, Atou Seck. Mila hamafisina, hoy izy, ny famokarana angovo, tokony hatsaraina ny lafiny niomerika ary mila hampitomboina ny fotodrafitrasa.
Henintsoa Hani