Fampiofanana araka asa : Mianatra ny modely 3FPT i Madagasikara

Noraisin’ny tale jeneralin’ny Fonds de financement de la formation professionnelle, Dr Babo Amadou BA, sy ny ekipany, ao amin’ny foibe any Sénégal ny delegasiona malagasy. Nitarika izany, tany an-toerana, ny sekretera jeneralin’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa, Harisoa­ma­narivo Angelico Ennodius, izay nisolo tena ny minisitra, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny minisitera sy ireo mpikambana avy amin’ny Jica any Sénégal, ny herinandro lasa teo. Tanjon’ity fitsidihana ity ny fampahafantarana ny delegasiona malagasy ny fomba fiasan’ny 3FPT. Eo koa ny hanarahana ny modeliny ha­ha­fahana mampifanaraka sy mampihatra izany amin’ny “Fonds malgache de formation professionnelle” (FMFP) ho fampandrosoana ny sehatry ny fanofanana araka asa eto Madagasikara. Fikambanana eken’ny fanjakana ho manana tombontsoa ho an’ny daholobe ary manana iraka amin’ny fampivelarana ny fanofanana araka asa eto Madagasikara ny FMFP izay mitovy amin’ny anjara andraikitra sahanin’ny 3FPT any Sénégal.

Vonjy

Partager sur: