Hairaha: Tsy ho ravan’ny « IA » ny zavakanto

Fiovana tsy azo ialana. Tafiditry ny « intelligence artificielle » (IA) avokoa ny sehatra rehetra. Anisan’izany ny kolontsaina sy ny zavakanto… Misy ihany anefa faritra tsy ho voadingan’io teknolojia mampitolagaga io.

Feo mivalana be. Paika na gadona tsy mandeha amin’ny laoniny. Ahitsin’­ ny « intelligence artificielle » na ny « IA ». Feo tokana, manjary ahenoina feo faharoa sy fahatelo. Rindrantsary (clip) nalaina tamina toerana iray, nanjary ahitana toerana marobe tsy tehafin-dalitra. Sary hosodoko tokony hatao tanana. Ny lohahevitra fotsiny no omena ny « IA », mivoaka ny hosodoko tsy misy tomika. Vina, nofinofy, rediredin’ny mpanoratra. Tonga sary tahaka ny tena izy rehefa apetraka ao anaty « IA ». Lohatenin’ny tantara fotsiny no omena. Vitan’ny « IA » hatrany amin’ny antsipirihany ny manoratra azy… Ampahany amin’ireo zava-bitan’ny « intelligence artificielle » eo amin’ny sehatry ny zavakanto ireo. Tsara? Kanto? Mampitolagaga!
Amin’ny ankapobeny, ma­na­tanteraka na manampy amin’ny fanatanterahana ireo nofinofin’ny zanakolombelona, ho tonga tahaka ny tena izy na ny mihoatra izany aza ny « IA ». Hanao « clip » any Frantsa. Na eto Madagasikara ihany aza ilay mpanakanto, mahavita. Izany hoe, ny fanirian’ny « saina » no tanterahin’ny « IA ». Tsy hita intsony ny aingampanahy (fanahy). Fototra lehibe maha kanto ny kanto anefa io.
Tsy ho tazana, na ho re, na ho tsapa ao anatin’ny « zavakanto » atao amin’ny alalan’ny « IA » na oviana na oviana ny fisian’ny aingampanahy. Tranga ahafahana milaza fa tsy ho ravan’ny « intelligence artificielle » ny zavakanto. Ny fahatsapan’ny zanakolombelona tsirairay izany no tsy hampateza ny zava-bita amin’ny « IA ».
Ho fantatry ny mpanjifa ny kanto tsy ho ela fa ampiainina ao anatin’ny fitaka sy ny lainga ary ny hosoka izy. Ho tsapany fa endrika ivelany fotsiny ihany no hoentin’ny « IA » fa ilay fanahy mampiavaka ny olombelona amin’ny « robot », tsy misy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: