Nanolotra fitaovana fanentanana ho an’ny fandaharanasa O3 ny Unesco amin’ny sehatry ny fanabeazana ara-pananahana feno ho an’ny Lycée téchnique et commercial Ampefiloha, tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hanome fahafahana ny tanora hahazo fanabeazana ara-pananahana feno sy manara-penitra hahazoana antoka fa ho voaofana izy ireo amin’ny fomba mirindra, miaraka amin’ny fahaiza-manao ara-teknika sy ny soatoavina maha olona.
Momba ny vokatry ny orambe niseho ny 14-19 febroary lasa teo, 28 ireo olona namoy ny ainy, 24 419 ny traboina, 8 056 ireo nafindra amin’ny toeram-pandraisana 33, araka ny tatitra avy any amin’ny BNGRC, omaly.
Fotoana mampirongatra ny aretina tazomoka rehefa aorian’ny fihavian’ny orana tahaka izao. Manatody amin’ireo ranonorana miandrona eny rehetra eny ny moka. Mila totofana ireny rano miandrona ireny hisorohana izany. Mila matory ao anaty lay misy odimoka hatrany ho fiarovan-tena na dia mafana aza ny andro.
Tamin’ity herinandro ity ireo sekoly sasany vao nanatanteraka ny Andron’ny sekoly sy nanao ireo karazana filatroana an-dalambe. Na anatin’ny fotoana fialantsasatra fohy aza dia nanao fety ny ankizy madinika izay efa nanomana ireo karazana haingo nosafidiany. Nisy tamin’izy ireo no nivoaka nilahatra teny an’arabe.