Koreanina 88 taona sy ny zanany 58 taona no maty notafihin’ny dahalo. Ny ben’ny Tanànan’i Mangataboahangy, distrikan’Ambatofinandrahana, Amoron’i Mania, namoy ny ainy noho ny tifitra nahazo azy… tamin’ny herinandro ireo. Vono olona efa nomanina mialoha? Na ahoana na ahoana, saika mifaningotra amin’ny toy izany ny fitiavan-tena tsy te ho voahelingelina amin’ny atao, ny fitiavam-bola… Fiteny ny hoe tsy hisy fampandrosoana raha tsy misy fandriampahalemana, fa tsy azo ihodivirana koa ny hoe tsy misy fandriampahalemana raha tsy misy fampandrosoana.
Tsy ny fananana ny ampy no fandrosoana, raha ny fahantrana no hoe anisan’ny mahatonga ny tsy fandriampahalemana? Eo ny fandrosoana amin’ny lafiny maro tsy hahazoan’ny asan-jiolahy vahana: ny basy miparitaka, ny lalan-dratsy, ny fifanampiana raha sendra ny loza… Aiza ho aiza? Izay ilay hoe fandrosoana marolafy, mifaningo-paka, miara-dalana… Ahoana, ohatra, no ahazoana antoka ny fandriampahalemana amin’izay ataony sy alehany, misy manampy raha sendra loza, tsy iharan’ny valifaty…?
Miara-dalàna amin’izany ny fampiharan-dalàna, ny fitsarana natao hikarohana ny marina, ny fanaraha-maso akaiky sy mitohy ny amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana… Hatramin’izay, saika tsy mitohy sy maharitra izay atao? Rehefa misy loza lehibe vao mikoropaka… Avy eo, miverina tsikelikely amin’ny teo aloha indray. Tsy mahagaga raha misy fahasahisahiana ratsy sy tafahoatra ny olon-dratsy. Misy antony fototra sy lalina ao, lasa fositra. Vitan’ny fampiharan-dalàna ve? Na ny fampiasana fitaovam-piadiana, fifanomezan-tanana… Misy ohabolana sinoa izay hoe: ny trano tena tsara hidy dia izay azo ilaozana mivoha. Ny any amin’ny maha olona no mila hamafisina bebe kokoa? Eo amin’izay hoe soatoavina…
R. Nd.