Nanadio tsikafona teny Anosizato : Lehilahy matin’ny herinaratra tao anaty rano

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray, omaly, teny Anosizato. Main’ny herinaratra tao anaty rano izy nandritra ny fanadiovana tsikafona teo akaikin’ny tranony.

Maty, main’ny herinaratra ny lehilahy iray, 32 taona, omaly, tetsy Anjanakolahy, fokontany Ano­sizato Atsinanana I. Tokony ho tamin’ny 1 ora no niseho­an’ny voina, raha nanadio tsikafona, fitoerana vovo teo amin’ny toerana manodidina ny trano fonenany. “Naharay ny taribin-jiro izy ka may”, raha ny fitantaran’ny fianakaviany.
“Roa lahy izy ireo no na­nao ny fanadiovana tao anaty rano. Vao saika hidina ilay na­many iray no nahita azy main’ ny herinaratra. Tsy sahy nidina intsony izy. Niantso vonjy tamin’ireo mponina manodidina”, hoy hatrany ny fianakaviany. “Tsy naharitra ela, fa teo amin’ny segondra vitsy teo no nahamay azy sy nisintoman’ny courant azy tao anaty rano dia efa tsy nihetsika in­tsony”, hoy hatrany ny vavolombelona nanatri-maso. Nampiakarina avy tao anaty rano izy, nentina teny amin’ny mpitsabo iray teny an-toerana fa tsy tana intsony ny ainy. Naverin’ny mpitsabo ary efa eo anivon’ny tokantrano sy ny fianakaviana ny razana taorian’izay.
Halatra jiro?

Anisan’ny ahitana fangalarana jiro ny eny an-toerana, raha ny fanazavana voaray. Alefan’ny mponina any ambanin’ny tany ny tariby ka mahazo ny faritry ny rano. Toa izany no nahavoakasika ity lehilahy ity, izay maty tsy tra-drano izao. “Tato anatin’ny telo andro, maromaro ny trangana faty olona teny amin’ny fokontany Anosizato Atsina­nana I. Misy ireo maty an-drano, may ny courant sy ny maro hafa”, hoy ny sefo fokontany, Rafa­no­mezantsoa Jean Nirina. Matetika mitera-doza foana ny fiakaran’ny rano tahaka izao. “Efa misy foana ny fanentanana ny mponina mahakasika izao tranga izao”, hoy izy.
Hojerena manokana ny hamahana ny olan’ny mponina manoloana ny tranga tahaka izao. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy moa ny avy amin’ny fokontany.

Mino

Partager sur: