“Mbola betsaka ny ezaka mila atao satria mivoatra be ny tontolon’ny fanatanjahantena amin’izao fotoana izao”, hoy Razakarisoa Patrick, DTN ny taranja ping pong, anivon’ny Federasiona malagasin’ny FMTT, omaly. Nomarihiny ihany fa tsy vitan’ny ady tsotsotra sy mandeha ho azy intsony izany.
Anisan’ny vina tena goavana ho ezahiny hotratrarina amin’ny maha tale azy ny fitadiavana fotodrafitrasa maharitra, toy ny efitrano natokana hilalaovana “ping pong” sy ny fanofanana mpanazatra. “Izay tena vonona hampiakatra ny lentan’ireo ankizy malagasy eto an-toerana no hampiofanina amin’izany”, nambaran-dRazakarisoa Patrick, hatrany. Nohamafisiny ihany fa tena tsy ampy ny fotodrafitrasa eto Madagasikara.
Raha ny fanatanjahantena anaty efitrano tahaka ny “Ping pong”, tena misedra olana mihitsy, hoy izy, satria ankavitsiana ny toerana azo hilalaovana sy hampiasaina.
Ankoatra izay, efa betsaka izao ireo solofo mpandimby mitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy ankehitriny, toa an-dry Fabio, Antoine, Gracia, Océane… “Ilaina ny fanaraha-maso sy fanampiana ara-teknika ireo Malagasy mpilalao ireo, raha tiana ny ho lasa lavitra”. Raha ny hevitr’ity teknisianina ity.
Fanatanjahantena feno
Anisan’ireo fanatanjahantena feno ny taranja tenisy ambony latabatra. Araka ny fanazavana nataon’ny tale Patrick, mila fanomanana ara-batana sy ara-tsaina tanteraka izany.
Raha ho an’ny vatana, ilaina hatrany ny fanafanana vatana, vao afaka miatrika lalao iray. Eo ihany koa ny tanjaka, satria tsy maintsy mihetsika hatrany ny mpilalao iray manenjika ny baolina kely, ary segaondra vitsy eo dia tonga any aminao ilay baolina.
Ankoatra izay, mila mahazaka mijoro amin’ny fotoana maharitra ihany koa ny mpilalao iray ka misy ny fanazarantena manokana tokony hataon’ny mpilalao iray.
Eo amin’ny ara-moraly, tokony hatanjan-tsaina hatrany ireo pongiste. Sport d’affrontement izy ity ka mila saina ambony.
Ny taona 70
Nanomboka nilalao ny taranja tenisy ambony latabatra ny Malagasy, ny taona 70, raha ny filazanan’ny tale Razakarisoa Patrick. Maro ireo mpilalao nalaza tamin’ity taranja ity. Teo amin’ny lehilahy, ry Gaston Pierre, Son Be, Landy, Danny, Gerald, Seta, Faly, Jean Christian, Hubert,… Ny tena nampiaiky ny maro dia Raonindriaka Guy.
Raha ho an’ny vehivavy dia ry Bako, Lucienne, Rado, Misa,…
“Misy amin’izy ireo no efa nodimandry ary mbola betsaka kosa no mbola milalao”.
Olona tsy vahiny fa ampy traikefa sy fahaizana mahakasika ny taranja “Ping Pong”, Razakarisoa Patrick. Ny taona 1993 izy no nanomboka nandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy. Ary ny lalaon’ny Nosy, izay natao tany Maurice, ny taona 2003, no nilalaovany farany. Raha ny vaovao nampitainy, 41 taona nilalaovana izy vao nijanona.
Taorian’ izay, voaantso ho mpanazatra ny ekipam-pirenena ny tenany, nandritra ny fe-potoana maro, (2005-2015).
Nisongadina tanteraka ny Malagasy tamin’ny fotoana nitondrany. Porofon’izany ny nandrombahan’ny Malagasy medaly volamena enina, tamin’ireo fito hiadivana, tao anatin’ny fifaninanana ho an’ny lalaon’ny Nosy 2007, izay notanterahina teto Madagasikara.
Hirariana mba hitondra avo sy hampiakatra ny lazan’i Madagasikara amin’ny tenisy ambony latabatra Razakarisoa Patrick.
Nanatontosa : Fitia Randria