“Sarobidy ny aiko” andiany faha-32 : Homena tolotra fahasalamana maimaimpoana ny vehivavy

“Fitovian-jo sy fizakantena ho an’ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra” ny lohahevitra hanamarihina ny Andro maneran-tany momba ny zon’ny vehivavy, amin’ity taona ity. Nosokafana tamin’ny fanomezana tolotra fahasalamana teny Ambohidratrimo, omaly, izany.

Nisantarana ny fanamarihana ny Andro maneran-tany momba ny zon’ny vehivavy ny fanomezana tolotra fahasalamana maimaimpoana miaraka amin’ny fiarabe « Sarobidy ny aiko » teny Ambohidratrimo, omaly. Andiany faha-32 ny hetsika ary voalohany amin’ity taona ity izay efa fanao nanomboka ny taona 2019 no ho mankaty. Hiompana amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny vehivavy ny tolotra rehetra ka hahazo vahana ny fanamafisana ny fandrindram-piterahana. Faritra telo, Analamanga sy Betsiboka ary Boeny, no iompanan’ny tolotra amin’ity andiany ity. “Maro anaka loatra ny tokantrano malagasy ka tsy manana fotoana hikarakarany ny tenany intsony, zava-dehibe ny fandrindrana ny zaza ateraka”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo, teny an-toerana. Entanina ireo vehivavy hanatona ny mpiasan’ny fahasalamana mandritra ny fandalovan’ny Caravane médicale amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4) mandritra ny sivy andro, hisitraka ny tolotra fanabeazana aizana. Afaka maka torohevitra eny koa ny zatovovavy.
Hanome tolotra ao Mae­vatanàna, Tsaramandroso ary Mahajanga, hatramin’ny 7 marsa ny Caravane médicale miaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny OMS ary ny fikambanana Fitia. Toy ny mahazatra, misy ny fitarafana sy ny fandraisana fizahana momba ny maso, vaksiny ho an’ny ankizy ary ny fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy (VBG). Ao Maevatanàna ny 1 marsa, hisy ny fametrahana ny toby Crenas mandray an-tanana ny fanarenana sy fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo mpahazo ny kilonga madinika. Ny kaominina Tsaramandroso no handray izany ny 4 marsa ary hifarana ao Mahajanga ao amin’ny Centre de santé sakaizan’ny vaksiny, ny 7 marsa ho avy izao.

Vonjy

Partager sur: