Seranan’Ivato: Havaozina ny fikarakarana ny zotra anatiny

Mitohy ny fanavaozana ny fotodrafitrasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ho vita amin’ny oktobra 2025 ny asa fanatsarana ny fikarakarana ny zotra anatiny sy ny fanitarana ny arabe fiantsonana.

Vita ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato. Niaraka nitondra fanazavana ny tale jeneraly (DG) ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre, sy ny mpiara-miasa aminy. Hito­hy amin’ny fanitarana ny arabe fiantsonan’ny fiaramanidina (Tarmac) ny asa amin’ity taona 2025 ity, handaniana 11,47 tapitrisa euros. Tanjona ny fanatsarana ny fifamoivoizan’ny fiaramanidina, ka ha­metrahana fotodrafitrasa manaraka ny fenitra.
Asa goavana koa ny hanovana handraisana ny zotra anatiny ny fikarakarana ny zotra iraisam- pirenena teo aloha. Mitentina 1,1 tapitrisa euros ny fampiasam-bolan’ny Ravinala Airports.
Halehibiazina ny efitrano malalaka, ka ho akambana ireo roa ireo, hikarakarana ny zotra anatiny. Ho lasa 760 m2 ny velarany raha 380 m2 teo aloha. Tanjona ny hanafainganana ny fikarakarana ny mpandeha. Ho afaka mandray mpandeha miisa 216 isan’ora ny efitrano raha 120 isan’ora teo aloha. Hanomboka amin’ ny volana mey ny asa ary vinavinaina ho vita amin’ny oktobra 2025. Nampitom­boana ho roa ny toerana fitiliana sy fisavana « scanner » raha iray hatramin’izay. Ha­tsangana koa ny toeram-pivarotana samihafa, toy ny Duty Free, ny toeram-pisakafoana, ny fivarotana kojakoja samihafa, sns.

Haba sy tamberim-bidy
Manamarika ny DG Daniel Lefebvre, fa samy hafa ny haba sy ny tamberim-bidy hampiharina any anatin’ny tapakilan’ny mpanjifa. Mama­ritra ny haba ny fanjakana foibe, ary ny sampandraharaha misahana ny fifamoivoizana ana habakabaka (ACM) no mametra ny tamberim-bidy. Manangona azy ny kaompania ana habakabaka amin’ny alalan’ny tapakila ary mitsinjara ny orinasa samihafa eny amin’ny seranam-piaramanidina, ka anisan’izany ny Ravi­nala Airports. Tombanana hiampy 200 000 ny mpandeha amin’ity taona ity, raha 900 000 teo aloha.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: