Nitohy omaly, tany Nairobi Kenya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny taranja tenisy, sokajy U14, lahy sy vavy. Nifarana teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana ny lalan-dRazafindrazaka Ny Avo, ho an’ny lalao an’olon-tokana, lehilahy. Resin’ilay maraokanina, i Youssef Hakmi, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1; 6/0), ny tovolahy. Tsy nifandanja ny fihaonana fa manatombo be amin’ny traikefa sy ny teknika nentina teny ambony kianja i Hakmi. Porofon’izany, tsy nahazo afa-tsy lalao iray monja i Ny Avo tao anatin’ny seta 2 nilalaovana.
Raha hiverenana kosa ireo voka-dalao hafa, tapitra teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ihany koa ny dian’i Ny Avo sy ilay namibianina, i Johan Theron, ho an’ny fihaonan’olon-droa. Resin’ireo maraokanina, Ali Ben Mahmoud sy i Youssef Lahmar, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 6/4), izy mirahalahy. Teo amin’ny olon-tokana vehivavy, niondrika teo anatrehan’ilay maraokanina, i Mathlouthi, i Matei Eliana Randrianasolo. Seta 2 no ho 0 no nandavoany azy.
Nitohy tamin’ny fiadiana ny laharana faha-17 amin’ny 24 ny lalao omaly ka resin’i Matei, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2 ; 6/1), ilay tonizianina, i Hadija Msangi. Niondrika teo anatrehan’ilay maraokanina, i Alia Alami, kosa i Onintsoa. Hiady ny toerana faha-9 amin’ny 16 kosa Ny Avo amin’ity anio ity.
Tompondaka