Mamaritra ny toetry ny andro ny fiforonan’ilay rivodoza ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika. Miha mitombo hery hatrany izy any an-dranomasina. Omaly maraina, tany amin’ny 645 andrefana somary avaratr’i Toliara no nisy ny foibeny.
Mizotra mianatsimo somary atsimo atsinanana ny diany. Hanambana an’i Madagasikara izy any amin’ny faran’ny herinandro. Vinavinaina hivadika ho rivodoza ao anatin’ny 24 ora ity andro ratsy ity ka hitondra ny anarana Honde rehefa mahafeno fepetra.
Hitondra rotsakorana betsaka any amin’ny faritra sasantsany ihany koa io andro ratsy io. Mampihatra avy hatrany ny filazana miloko maitso i Androy, Toliara I sy II, Amboasary Atsimo. Hanome vahana ny oram-baratra any avaratra sy andrefana sy afovoany andrefana izany. Mihatra ny fampitandremana miloko mena ho an’i Manja, Beroroha, Ankazoabo sy Sakaraha. Fampitandremana miloko maitso kosa ho an’i Boeny sy Melaky ary Bongolava sy ny Andrefan’i Betsiboka.
Filazana fahamailoana amin’ny fiakaran’ny renirano izay lalovan’i Tsiribihina, Mangoky, Maningory, Soamihanina, Antanambalana…, ny reniranon’i Fiherenana, Tongobory ary Linta.
Ho an’ilay rivodoza Garance ao amin’ny ranomasimbe Indianina kosa dia hizotra mianatsimo atsinanana izy ary hamantana any amin’ny Nosy La Réunion sy Maorisy.
Tatiana A