TSELATRA

Tafakatra enina ireo olona voasambotra tamin’ny raharaha famonoana ny ben’ny Tanànan’i Mangatamboahangy, ny zoma 21 febroary teo. Efa tazomina sy hanaovana fanadihadiana ary hatao andrimaso eny anivon’ny zandarimariam-pirenena any Ambatofi­nan­drahana izy ireo. Efa nogiazana ihany koa ny basim-borona iray nampiaisan’ireo olon-dratsy. Tsy maintsy hatolotra ny fitsarana avokoa ireo rehetra voarohirohy na ankolaka na mivantana.
Zazavavy 15 taona no naratra mafy vokatry
ny vono nataon’ny rainy niteraka azy omaly maraina, tetsy Ambohitrakely Betongolo. Voadaroka teo amin’
ny faritry ny lohany aoriana izy nandritra izany.
Vokany, naratra mafy vokatr’izany ity farany. Mbola tsy fantatra mazava ny anton’ny fikasihan-tanana nihatra taminy.
Tambajotra tena matanjaka ny fanafihana mitam-piadiana sy ny fakana an-keriny, izay miseho eto amin’ny Nosy. Anisan’izany, ny any amin’ny faritra Anjo­zorobe, sy distrikan’i Tsaratanàna, izay ahitana trangana fakana an-keriny matetika. Manao antso avo amin’ny tomponandraikitry ny mpitandro filaminana isan-tsokajiny ny depiote voafidy any an-toerana, mba hijerena vahaolana mahakasika io tranga io.

Partager sur: