“Vakoka sy soatoavina”. Maro ireo nahatsiaro izay lalan-tsaina novoizin’ny tarika Zandry Gasy izay, nanomboka ny taona 2010 niorenany. Nataony anaran’ny rakikira voalohany mihitsy, taty amin’ny taona 2013 izany. 15 taona lasa izay, fa mbola mijoro ary manohy ny lalany ny tarika. Tsy mivaona amin’izay nosoritany, fa mikatsaka hatrany kosa ny fanandratana ny hira vokatry ny tany ny tarika Zandry Gasy.
Homarihina amina hetsika maro izay 15 taona an-tsehatra izay. Hanombohana azy rahampitso zoma 28 febroary, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. “Toerana anisan’ny niakarany sehatra lehibe voalohany, ny 17 febroary 2012 ny Piment Café. Tsaroako tsara satria nitaintaina mafy izahay dimy mirahalahy nanangana ny tarika tamin’izany. Tazany avy eny an-tsehatra ireo olobe amin’ny mozika, liana ihany koa hoe inona ny hoentin’izany Zandry Gasy izany”, hoy i Mbola Talenta, izay namorona ny tarika.
Manana ny vinavina ny hisedra sehatra lehibe kokoa ihany koa ny Zandry Gasy amin’ity taona ity. Eto Antananarivo ny voalohany, hitohy any amina faritra hafa ka hatrany ivelany izany. “Ao anatin’ny famaranana ireo fifanarahana isan-karazany amin’ity taom-pampisehoana ity izahay amin’izao. Misy koa ny fiantsoan’ireo mpiray tanindrazana monina any ivelany, ka heverina fa hotontosaina izany amin’ity”, hoy hatrany ny fanazavana.
Taorian’ny rakikira voalohany “Vakoka sy soatoavina”, efa nivoaka tamin’ny herintaona ihany koa ny rakikira faharoa, “Bà gasy mazia romotra”. Io ihany koa no anarana namaritana ilay fitendry gitara mampiavaka ny tarika, ka mampisongadina ny hira rehetra, na ireo naverina izany na ireo noforonin’ireo mpikambana. Ireny ihany no hozarain-dry Fitahiana, Hoby, Litsa, Mbola Talenta, Lik ary Herinjatovo anatin’ny fankalazana.
Zo ny Aina