Tsy mbola mandray lalao iraisam-pirenena ny Kianja Barea Mahamasina, amin’ity volana marsa ity. Miandry ny fanambarana ofisialy avy amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra anefa izany.
Tapitra hatreho ny tebiteby mahakasika ny kianja Barea Mahamasina. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, FMF, omaly, hatao any Maroc avokoa ny lalaon’ny Barea de Madagascar. Tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakilan’ny Mondial 2026, amin’ny volana marsa ho avy izany.
Hihaonana amin’i Centrafrique sy i Ghana ny ekipa nasionaly malagasy. Tsy misy fanazavana ofisilay kosa anefa ny antony hanaovana ny lalao any ivelany. Midika ho tsy nahazo fankatoavana ny kianja Barea, ka tsy afaka handray lalao iraisam-pirenena ve izany? Tsy nifanaraka tamin’ny teny nataon’ireo Inspecteur roa lahy avy amin’ny Caf, i Diabete Zakarihya sy i Craig Ian William, izany ny vokatra azo. Nilaza izy mirahalahy, ny 13 febroary lasa teo, tetsy Mahamasina, fa efa nahita ny ezaka nataon’ny Malagasy rehetra ary tazana eny an-kianja avokoa ireo singa valo notakin’ny Caf.
Marihina fa tsy nisy fanambarana ofisialy navoakan’ny FMF, mahakasika ny kianja Barea, fa tao amin’ny pejin’ny rafitra federalin’ny baolina kitra Ghana no nahalalana fa tsy nahazo fankatoavana ny kianja Barea Mahamasina. Ankoatra izay, raha ny filazan’ilay loharanom-baovao iray eo anivon’ ny FMF, hisy manampahaizana manokana alefan’ny Caf aty Madagasikara hijery sy hanoro hevitra mahakasika ity kianja ity. Aorian’io, mety hahazo handray lalao iraisam-pirenena ny Kianja Barea.
Lisitry ny ekipam-pirenena
Efa fantatra avokoa ny daty hanaovana amin’ny Les Fauves Centrafrique sy ny Black Star Ghana. Raha ny filazan’ny FMF, ny 19 marsa ho avy io no hifandona amin’ ny Les Fauves ny Barea, raha toa ka ny 24 marsa no hifanandrinana amin-dry zareo ganeanina.
Tsy mbola nivoaka moa ny lisitry ny Malagasy mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar. Nilaza ny filohan’ny FMF, ny tapa-bolana lasa teo, fa efa mitily ireo mpilalao avo lenta sy manana klioba ary ampy lalao tsara ny mpanazatran’ny Barea A, i Corentin Martins. Andrasana am-pitoniana indray, araka izany, ny lisitra.
Fitia Randria