Be velarana i Honde : Ho betsaka ny orana entiny

Omaly maraina, tany amin’ny 330 km atsimo andrefan’i Toliara no nisy ny foiben’i Honde. Niakatra ho 110 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy sy tafiotra 155 km isan’ora.
Manambana ny tapany atsimon’ny Nosy, nanomboka halina. Efa mikasika ny faritra Atsimo Andrefana ny rahona miaraka aminy, nanomboka omaly maraina. Raha ny tombana, hivoatra miadana any amin’ny manodidina latsaky ny 100 km miala ny morontsiraka izy. Goavana kosa ny velarany ka ahina ho voakasiky ny tafiotra maherin’ny 90 km isan’ora ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana iny, manomboka anio maraina.
Tombanana ho betsaka hatrany ny rotsakorana any amin’ny ilany atsimo, atsimo andrefana, afovoany andrefana ary ny ilany andrefan’ny afovoantany. Hahazo vahana ihany koa ny talio any amin’ny tapany avaratra andrefana izay vinavinaina hitondra rotsakorana betsaka ihany koa amin’ireo toerana ireo. Mety ho 50 hatramin’ny 100mm ny tahan’ny rotsakorana andrasana ao anatin’ny 24 ora amin’ireo toerana ho voakasika.
Haheribe ny ranomasina sy hisamboaravoara eo anelane­lan’i Morombe hatrany amin’ny tanjona Vohimena.

Vonjy

Partager sur: