EPM : Hamaritra ny politikam-pampandrosoana

Manan-danja eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny fampandrosoana ny vokatra andrasana amin’ny fanadihadiana maharitra eny anivon’ny tokantrano (EPM) hatao. Aha­fahana mamaritra ireo politikam-panjakana sy ireo fotodrafitrasa hatsangana enti-mamaly ny filan’ny mponina ireo antotanisa hangonina. Niainga tamina kajy statistika ny nahazoana ireo tokantrano 17 000 manerana ny Nosy hanaovana ny fanadihadiana. Nisy ihany koa ny sivana efatra napetraka enti-manatanteraka ny tetikasa. « Mison­ga­dina manokana ny eto An­tananarivo. Hiavaka ny vokatra ho azo raha oharina ny amin’ireo any amin’ny tontolo ambanivohitra sy any amin’ireo renivohi-paritra hafa noho izy manana tanjaka ara-toekarena », hoy ny tale misahana ny statistika momba ny tokantrano eo anivon’ny ivontoeram-pirenena momba ny antotanisa (Instat), Rakotondra­dany Iary Michael.
Miisa 250 ireo mpanao fanadihadiana hisandrahaka manerana ny Nosy, misy olona efatra ihany koa ny handrafitra ny ekipa iray. Marihina fa hanomboka ny volana marsa ka haharitra telo volana ny tapany voalohan’ny EPM, atao amin’ny tapan-taona manaraka ihany koa ny dingana faharoa. Miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny minisiteran’ny Toekarena sy fitantanam-bola izay tohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Hatrany amin’ny 1,5 tapitrisa dolara ny tetibola hanatanterahina ny EPM 2025.

Henintsoa Hani

Partager sur: