Fantatra tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hisy ny rafi-pandaminana vaovao amin’ny fiatrehana ny fanadinana CEPE sy ny fifaninanana hidirana kilasy fahenina.
Mba ho fiantohana ny fampandehanana izany fanadinam-panjakana voalohany ho an’ny mpianatra izany, nisy ny fanatsarana napetraky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Voakasik’izany indrindra ny fe-potoana fikarakarana ny lafiny teknika rehetra. Eo koa ny fiarovana ny laza adina sy ny fanaraha-maso ireo fandaniana.
Apetraka amin’ny Cisco izany rafitra eny ifotony izany. Kendrena mba hifanaraka ny zava-misy eny ifotony sy hamoraina ireo dingana ara-taratasy sy ara-bola. Ny Cisco no tompon’andraikitra amin’ny fikirakirana sy fandefasana ary ny fitaterana ireo laza adina eny amin’ny foibem-panadinana rehetra. Ny minisitera foibe kosa dia manohy ny andraikiny amin’ny fandrindrana sy ny fanampiana azy ireo.
Hisy ny fampiofanana eny ifotony hiantohana ny fahombiazan’izany rafitra vaovao izany. Tanjon’ny fanovan-drafitra ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana sy andraikitra tena izy. Tsiahivina fa nozakain’ny minisitera foibe avokoa ny fikarakarana sy fanontana hatramin’ny fitsinjarana ireo laza adina teo aloha. Hampihena ny fandaniana amin’ny fitaterana ireo laza adina izao fanovana izao. Hampitombo ny fampandraisana andraikitra ireo Cisco kosa izany. Tafiditra ao anatin’ny fampahaleovantena ny faritra sy distrika izany fanovana izany.
Tatiana A