Fanampiana ny sahirana : Tokantrano 171 haorina eny Andavamamba

Arovana amin’ny tondradrano sady hatsaraina ny fari-piainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva. Diovina sy hamafisina ny lakandrano, haorina ny trano fonenana sy fotodrafitrasa maro.

Mitohy ny fanatanterahana ny Tetikasa fampiroboroboana ny ta­nàn-dehibe sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro eto Antananarivo (Produir). Ma­matsy vola azy ny Banky iraisam-pirenena, tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT). Nijery ifotony ny fivoaran’ny asa, omaly, ny filoha Rajoelina Andry. Nitondra ny fanazavana ny tetikasa ny minisitra MDAT, Andriantsito­haina Naina. Misy ny fanorenana trano vaovao eny Andavamamba sy ny fitantanana ny fotaka eny Na­mo­n­tana. Miisa 29 ny trano lehibe, ahitana rihana iray, afaka mandray tokantrano 84. Eo koa ny trano mitokana miisa 87, izany hoe, mitotaly 171. Ankoatra ny trano fonenana, misy fotodrafitrasa goavana koa eny Namontana, toerana fikirakirana sy fitantanana ny fotaka alaina avy ao anaty lakandrano. Hoesorina ny tsikafona, ka hatao farihy manana velarany 7 000 m2 ary 1,5 metatra ny halaliny. Misy ny fitaovana avo lenta hanivanana ny fotaka mialoha ny hitaterana azy any amin’ny toerana manokana eny Iarinarivo.

« Arahiko maso akaiky »

Nilaza ny filoha Rajoelina Andry, fa « zava-dehibe ny fitsidihana natao androany, entina hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina. Arahiko maso akaiky ity tetikasa ity. Tanjona mba hisosa tsara ny rano, ka tsy ho dibo-drano, ho tratry ny tondradrano intsony. Hita amin’izao fa azo atao tsara ny manatsara ny trano fonenan’ ny mponina ety amin’ny faritra iva ».
Tsiahivina fa efa vita ny fanamafisana sy fanadiovana ny reniranon’Ikopa sy Sisao­ny. Miditra amin’ny fanamafisana sy fanadiovana ny lakandrano C3 indray ny tetikasa Produir, mirefy 12 km, miainga any Anosibe, mandalo Anda­va­mamba, 67 ha, Antohoma­dinika, miafara eny Ambo­di­mita.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: