FANTINA sy FINTINA

Ilaina ny fanovana toe-tsaina ho an’ ireo mpanao politika mitady fomba hanaratsiana mpitondra fanjakana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimieran­doholona, ny Jly Ravalomanana Richard. “Tsy mendrika homena fahefahana ireo mpanaratsy sy tsy mahay mankasitraka ny mpitondra. Toe-tsaina tokony hialana ny fifanenjehana”, hoy izy.
Nampakarina ho 50% ny fisotroan-dronono raisin’ireo mpiady tia tanindrazana, isaky ny telo volana, ho an’ny taona 2025, araka ny fanapahana noraisin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly. Ho famaliana ny fangatahan’izy ireo sy ny fankasitrahana koa ny anton’izao fanapahan-kevitry ny mpitondra izao.
Samy haneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny Tim sy ny MMM, rahampitso sabotsy. Hanatanteraka fambolen-kazo ireto antoko roa, samy eo anivon’ny fanoherana ireto. Hanao ny azy eny Imerin­kiasinina ny mpiara-dia amin-dRavalomanana raha eny Carion kosa ny mpomba an’Andrianainarivelo Hajo.
Hiatrika ny filankevitry ny minisitra eo anivon’ ny Sadc ny 12-13 marsa, any Zimbabwe, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Hodi­nihina koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny SADC ny 17 marsa izao. Lahadinika amin’izany ny momba ny politika, ny fiarovana, ny fitantanana sy ny drafitra stratejika 2020 – 2030.

Partager sur: