Anisan’ny nisongadina tamin’ny fihaonan’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny hijerena manokana ireto mpitantana eny ifotony ireto. Maromaro ny fangatahan’izy ireo. Anisan’izany ny fanampiana tokony ho azo avy amin’ny fanjakana foibe. Ny momba ny tambin-karama raisin’ireo ben’ny Tanàna ary ny fiarovana ny ain’izy ireo eo am-panatanterahana ny asany. “Maniry koa izahay ny hahazoana ny mari-boninahi-pirenena rehefa mahavita soa aman-tsara ny fe-potoana fiasanay na raha sanatria tonga ny fahafatesana tampoka eo am-perinasa”, hoy izy ireo. Nanterin’ireo ben’ny Tanàna koa ny fikasan’izy ireo hanangana ny fikambanan’izy ireo manerana ny Nosy.
Naneho fahavononana hanome tantsoroka ireto mpitantana eny ifotony ireto ny eo anivon’ny Antenimierandoholona, tamin’ny alalan’ny filohany, ny Jly Ravalomanana Richard. Nambarany fa miezaka mifampiresaka mivantana sy mampita ny hetahetan’ireo ben’ny Tanàna, amin’ny fahefana mpanatanteraka, indrindra amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ireo loholona, araka ny nambarany.
Natsidiny koa fa hampifandraisina mivantana amin’ireo kaominina any ivelany ny eto an-toerana. Tafiditra amin’ny diplaomasia parlemantera izany, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa efa mitsangana ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna isaky ny distrika amin’ izao fotoana izao.
Synèse R.