Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny vinanasan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa hampiakatra ny lentan’ireo fotodrafitrasan’ny Oniversite. Hatsangana ny toerana fatorian’ireo mpianatra eto Antananarivo, Mahajanga, Antsiranana ary Toliara.
Tohizana ny fanamboarana ireo Campus Universitaire izay efa natomboka any taolagnaro, Ambovombe ary Antsohihy. Ankoatra izany, ny trano fatorian’ireo mpianatra ao Vontovorona. Novelabelarina nandritra ny filankevitry ny minisitra koa ny tetiandro sy ny tetibola hanatanterahana izany amin’ity taona ity.
Mikarakara fifampizarana momba ny fahaketrahana, fa indrindra ny fahasalaman’ny saina, ny fikambanana Psy-kôzy, ny sabotsy 1 marsa ho avy izao, ny tapakandro maraina eto Antananarivo. Mbola misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo liana amin’ny lohahevitra. Maimaimpoana ny fandraisana anjara. Tsy hisy kosa ny hetsika ny sabotsy 8 marsa, araka ny filazana nalefan’izy ireo.
Tanjona afaka dimy taona, hihena ho 25% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona (40% ny taha ny taona 2021). Hidina ho 3% kosa ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, raha 8% izany ny taona 2021. Tokony hampidirina ao anatin’ny fandaharanasa fanatsarana ny fambolena hatrany ny fanjarian-tsakafo hitondra vokatra mahomby.