Les Surfs: Nodimandry i Dave Rabaraona

Iray tamin’ireo Rabaraona 6 mianadahy, nandrafitra ny tarika Les Surfs i Dave. Nodimandry any Canada izy, nanara-dia ireo anabaviny, izay niara-nitondra avo ny lazan’i Madagasikara taminy naneran-tany.

Rako-drahomainty indray ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry omaly maraina mantsy Andriama­monjy David Yves Marcel, na i Dave Rabaraona. Tany Mont­réal Canada izy no nodimandry, araka ny nampitain’ny fianakaviany, teo amin’ny faha-81 taonany. Iray tamin’ireo mpiray tampo nanangana ny tarika Les Surfs i Dave. Mpihira sy mpitendry, ary niandraikitra ihany koa ny lafiny teknika tamin’ny fotoana namirapiratan’ny tarika izy. Rehefa nisy ny fihatoana nandritra ny taona maro, mbola i Dave ihany no namerina ny Les Surfs 2008, ka nikarakara ilay andiam-pampisehoana “Age tendre et tête de bois 2008”.
Nivoy foana ilay fihavanana malagasy, na dia nonina tany ivelany aza i Dave Rabaraona. Nanentana hatrany ny fanomezan-danja ny fifandraisan’ny mpiray tanindrazana taty Ma­dagasikara sy ireo monina ivelan’ny Nosy izy. Tao ambadiky ny fanentanana rehetra amin’izay fampihavanana sy fampiraisana ny Malagasy maneran-tany izay hatrany ity mpanakanto ity. Antony iray nanolorana azy ny mari-boninahitry ny kanto ny volana septambra 2021, tany amin’ny masoivohon’i Madagasikara any Paris io.

Nambabo ny fon’ireo frantsay…
Nicole, Monique, Dave, Rocky, Coco ary i Pat no nandrafitra ny Rabaraona 6 mianadahy. Nisy fifaninanan-kira tamin’ny fotoana hanambarana ofisialy ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy ny 14 oktobra 1958, ka izy ireo no nahazo voalohany tamin’izany. Namerina ny hiran’ny The Platters, “Only you” sy “The great Pretender” izy ireo, ka tena be mpankafy. Nanohy an’izay famerenana hirana vahiny mpanakanto malaza izay, ka nanao fitetezam-paritra niaraka tamin’i Henri Ratsimbazafy sy ny CCC Guitares ry Rabaraona, ka Les Béryls no anarana nosafidian’izy ireo. Nasain’ny fanjakana frantsay hisolo tena an’i Madagasikara nandritra ny fitokanana ny fahitalavi-pirenena frantsay tany Paris izy 6 mianadahy, ny taona 1963. Avy hatrany dia nambabo ny fon’ireo frantsay, ka nahazo fifanarahana maro. Nanomboka teo koa no niofo ho Les Surfs ny anaran’ny tarika. Nampiaka-daza azy ireo voalohany ny fandikana ireo hira amin’ny teny anglisy malaza, tamin’ny teny frantsay. Nalaza indrindra ry « Reviens vite et oublie », « Si j’avais un marteau », « T’en vas pas comme ça », « Adieu chagrin », « A présent tu peux t’en aller », « Scandale dans la famille », sns. Nitety firenena maro tany Europe, ary niray sehatra tamina mpanakanto malaza maneran-tany ihany koa ny Les Surfs nandritra izany. Tsy tena naharitra anefa ny fiarahana, satria nisaraka ny tarika ny taona 1971, ka nisy ireo nijanona tany Québec ary ny sasany kosa tany Frantsa. Nisy matetika kosa ny fikasana hamerina ny Les Surfs, saingy tsy nisy naharitra. Anisan’ny antony ny nahalasanan’i Monique ny taona 1993, i Nicole ny taona 2000 ary izao i Dave indray no nodimandry.

Zo ny Aina

Partager sur: