Mampalahelo ilay toe-tsaina malagasy. Mivadika tanteraka ny fomba fiaina. Zary fahafinaretana faobe ny mahita ny fahavoazana mianjady amin’ilay taninjanaka sy ny mpitondra ao aminy. Nahita taratra izany indray, omaly, ny fiparitahan’ny vaovao tamin’ny tambajotran-tserasera momba ny Kianja Barea Mahamasina. Mbola tsy afaka mandray lalao i Mahamasina.
Mahavariana fa ireo noheverina ho manam-pahalalana, afaka ny mandinika sy mamakafaka no mifaly havanja, vao niely ny vaovao. Ireo noheverina mba hanana hambom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana no mitsinjaka voalohany. Niova ilay kolontsaina iray vatsy iray aina. Nivadika ho faly amin’ny fahavoazan’ny hafa.
Tsy hita ny homen-tsiny amin’ny fiovana miharatsy tahaka izany. Fahavoazana faobe anefa no vokany. Isika samy isika ihany no mifaniry ratsy. Mifampivavaka zava-dratsy sy fivarinana an-kady. Tsy misy ratsy afaka ny hitondra soa izany anefa. Misy dia mahazo tsirony amin-draha tsy manjary.
Toe-javamisy ilana fandinihan-tena lalina no miseho eto amin’ny firenena. Very ilay hasina maha olombelona natao hitondrana ny fiainana andavanandro. Zara aza misy fahavoazana hakana tsiro. Miandry kendry tohina daholo mba sitrany hahay misy ho latsalatsaina. Toy izany no iainana eny anivon’ny fiarahamonina, ankehitriny.
Firenena masina i Madagasikara, iray tsy mivaky. Tsy tokony ho ny adim-piainana izay mikiky isan’andro no hanimba ny soatoavina izay efa nolovaina tamin’ireo razambentsika. Mila mijoro izay olom-pirenena mbola resy lahatra fa ho avotra ilay Madagasikara. Tsy rariny raha hitazam-
potsiny isika mianakavy. Efa milentika amin’ny fahalovana ilay firenena.
Mitaky ny fifohazam-panahy goavana sy ny fahatsapan-tena lalina ny zava-miseho amin’izao fotoana izao. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fiatrehana ny vela-pandriky ny mpanimba ny kolontsaina sy ny maha Malagasy antsika.
r.r