Hanomboka rahampitso ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “Challenger series”, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Hampiantrano izany, i Afrika Atsimo, amin’ity. Araka ny fanadihadiana natao, tsy mbola misy mpitsara manana “niveau”, amin’izany eto Madagasikara.
Fihaonana karakarain’ny World rugby mantsy ity fifaninanana ity ka ireo ao amin’ny “panel B” sy “A” ihany no afaka miatrika izany. Mbola vao “panel C” ny an’ny Malagasy ka i Stephane sy i Julie ihany ny hany tafiditra ao anatiny. Ireo “tournoi” rehetra karakarain’ny Rugby Afrique no afaka tsarain’izy mianadahy ireo. Ankoatra izay, fantatra fa efa miantso olona 21 taona indray ny World rugby, hiofana mandritry ny
4 taona.
Tsiahivina fa firenena 12 no hiady ho lohany, amin’ity. Ao amin’ny sokajy “A”, misy an’i Allemagne, Japon ary i Georgie. Tafaraka ao amin’ny “B”, i Chilie sy i Tonga ary i Portugal. Mivondrona ao amin’ny “C”, i Samoa sy Oganda ary i Bresil. Ny Makis de Madagascar, miaraka amin’i Hong-Kong sy i Canada, ao amin’ny sokajy “D”. Marihina fa misy dingana roa ity fifaninanana ity ka ny 1 sy 2 marsa ny voalohany ary ny
7 sy 8 marsa ny faharoa.
Tompondaka