TARATRY ny KANTO

Festival « Amoron’i Maniart”. Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, hanomboka anio ny tena fandaharam-potoana amin’ity hetsika ho an’ny dihy, hatao any Ambositra ity. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny fiofanana mahakasika ny Hip hop, Breaking, Afro dance, Dance hall ary ny Slam, ao amin’ny Alliance Française.

Mamina, etsy amin’ny Phoenix Isoraka. Ma­nomboka amin’ny 7 ora ny seho an-tsehatra hatolotr’ity mpanakanto ity. I Mamina sy ny gitarany, hizara ireo mozika noforoniny sy ireo nindraminy. Manan-kozaraina ary efa anatin’ny miaka-daza ity mpanakanto ity amin’izao. Ireo mpankafy ny mozika akostika no tena mora babo amin’ireo hiran’i Mamina.

“Hidihidy”, asehon’ny Cie Master Jah, ao amin’ny Alliance Française Antsirabe. Soradihy vaovao, izay entina an-tsehatra voalohany ny 1 mars izao izy ity, ao Antsirabe. Nasaina hifampizara ny sehatra amin’izy ireo ny Cie Anjorombala avy aty Antananarivo. Eo ihany koa ireo mpianatra dihy, ao amin’ny Cie Master Jah, ao Antsirabe ihany.

Hetsika “Tsy mba zaza”. Hotontosaina ny alahady 2 marsa amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny valan-javaboaary Tsimbazaza izy ity. Antsa malalaka, sehatra ho an’ny poezia, izay hifandimbiasan’ireo poeta maromaro no hiseho. Sady tafiditra anatin’ny fifampiarahabana noho ny taom-baovao, no hanamarihana ny iray volan’ny poezia ihany koa.

Partager sur: