Naiditra vonjimaika am-ponja avokoa ireo olona 18 voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny zaza varira tany Foroforo, Vohipeno, ny 8 febroary 2025 lasa teo, araka ny tatitra voaray avy amin’ny groupement Fitovinany. Nalefa eny Tsiafahy ireo lehilahy 14 tamin’izy ireo. Raha toa ka eny Antanimora kosa ireo vehivavy efatra hafa. Marihina fa natao teto Antananarivo, ny 25 febroary teo, ny fakana am-bavany azy ireo teo anivon’ny fitsarana.
Tokantrano iray no niharan’ny fanafihana tany Vondrozo, afakomaly 25 feborary 2025 tamin’ny 12 ora atoandro. Niharan’ny famonoana nataon’ireo olon-dratsy ny ankizy telo mianadahy. Zazavavy iray no maty tsy tra-drano nandritra izany. Voafira tamin’ny antsy ny lohany, ka nitarika ny fahafatesany. Zazalahy kely roa kosa no naratra mafy ary efa manaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly any an-toerana. Efa manao ny fikarohana ireo nahavanon-doza kosa ny mpitandro filaminana.
Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana i Faralahy sy Zemma, afakomaly tamin’ny 8ora sy 30 minitra alina. Nahazo antso avy amin’ny olona tsara sitrapo izy ireo fa misy dahalo miafina ao Antrangabe, fokontany Antanandava, kaominina Bekoratsaka. Nidina nanao ny fikarohana avy hatrany izy ireo, ka lavo nandritra ny fifanenjehana izy roa lahy ireo. Nandositra ary tsy nety nijanona mihitsy ry zalahy ireo ka voatery nitifitra ny mpitandro filaminana.
Nahitana fihenana ny tahan’ny tsy fandriampahalamena any amin’ny tapany avaratry ny faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy iny, amin’izao fotoana izao. Manampy betsaka izany ny fampandraisan’andraikitra ho an’ny sarambambem-bahoaka sy ny fokonolona mahakasika ny fandriampahalemana, raha ny nambaran’ny prefektoran’i Toliara. Tsy andraikitry ny mpitandro filaminana irery fa andraikitry ny olom-pirenena tsirairay koa izany.