Araka ny fandaharam-potoana efa fantatra, ny 1 hatramin’ny 8 marsa izao no hanatanterahina ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka aty amin’ny faritra faha-7 (CCC Zone 7), taranja Volley ball, any Maorisy. Noho ny fisian’ny andro ratsy any an-toerana anefa, misy fiantraikany amin’ny sidina mihazo an’i Maorisy izany. Araka izany, raha tokony nanainga omaly ny delegasiona malagasy, voatery nihemotra izany ka miandry ny antson’ny Air Mauritius indray izy ireo vao mamonjy eny amin’ny seranam-piaramanidina. Etsy ankilany, efa misy delegasiona avy amin’ ny nosy rahavavy tonga any Maorisy ary tsy misy fiovana aloha hatreto ny fifaninanana, saingy mety hihemotra izany, raha ny fanazavana avy amin’ ny filohan’ny federasiona maorisianin’ny volley ball, i Fayazal Bundhun.
Ho an’i Madagasikara, ny ekipan’ny GNVB, lahy sy vavy, miampy ny ekipan’ny Squad, vehivavy no hisolo tena ny Malagasy ho any Maorisy mandritra ity fiadiana ny amboaran’ ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7 ity. Ho an’ny GNVB, 30 no isan’ny delegasiona handeha, ahitana mpilalao 12 lahy sy 12 vavy, miampy ny mpanazatra 3 sy ny Staff teknika, raha ny vaovao voaray avy amin’ny filohan’ny klioba. Efa tena vonona tanteraka ny ekipa sy ny Staff rehetra ary manantena ny ho lasa lavitra amin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina, firenena 6 no handray anjara amin’ity andiany faha-29 ny CCC Zone 7 hatao any Maorisy ity, ahitana an’i Seychelles, La Réunion, Comores, Mayotte, Madagasikara ary Maorisy.
Mi.Raz