Zavakanto: Ilaina ny fifaninanana

Anisan’ny tsy ampy eto Madagasikara ny fifaninanana. Zara raha ahitana izany indray mandeha ao anatin’ny taona ny taranjan-javakanto iray. Ny hafa, tsy misy mihitsy. Ny any ivelan’ny Nosy, anefa, saika isan’andro, mifaninana hatrany. Tsy voatery ho zava-dehibe vao mifaninana, raha eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Amin’ny ankapobeny, hoentina mandrefy ny dingana vitan’ny mpanakanto na ny mpahay kanto sy ny manan-talenta ary ireo liana amina zavakanto ny fifaninanana. Fampirisihana ny hanao ny tsaratsara kokoa hatrany. Fahiny, saika nahitana fifaninanana avokoa ny zavakanto rehetra…
Mifaninana ny mpilalao fanorona. Ny mpanao katro. Ny mpampiady ravina. Ny mpa­nao fanatin-kira, sns. Fi­faninanana niainga tany amin’ny ankohonana nipaka hatrany amin’ny tanàna na vohitra iray na roa na ny mihoatra izany aza. Amin’izao vanim-potoana izao, efa tokony hanenika an’i Madaga­sikara iray manontolo ny fifaninanana amin’ny zavakanto.
Matetika, any ivelany hatrany no ahitana fa « mahay ny Malagasy mpanakanto ». Tokony ho ny Malagasy, anefa, no mahafantatra voalohany ny fahaizan’ny zanany. Efa tranga nisy ny fananan’i Madagasikara mpanakanto fanta-daza any ivelany, saingy, tsy fantatry ny Malagasy akory. Amin’izao vanim-potoana izao, ny rafitra isan’ambaratonga miainga avy any amin’ny fototra (fokontany, kaominina, distrika…), mila mikarakara fifaninanana ho an’ny zavakanto. Tsy zava-baovao io fa efa nisy taloha, mila hiverenana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: