Andrianaivo Lalao: Lasa farofy ny zanany ka hamita ny andiam-baksiny rehetra izy 

Tsy vita vaksiny ny zanak’Andrianaivo Lalao fa nafana hoditra izy tamin’ny fotoana tokony ho nanaovany izany. Tsy navelan’ny vadiny hoentina handray vaksiny ilay zaza, araka izany. Tratran’ ny orana ny trano ipetrahan’izy ireo taty aoriana ka lena tao ny karinem-baksiny dia rovitra tanteraka. Vonona hanohy vaksiny tsy mbola vita anefa ity renim-pianakaviana ity. Hijery kosa ny fomba ahitana ny vaksiny efa vita teo aloha rehetra eny amin’ny CSB Urbain Marovoay ny tenany. Lasa farofy, matetika misy fanaviana ilay zanany tsy nahavita vaksiny hatramin’ny farany. Tapa-kevitra izy fa hanarina ny lesoka. Vao tera-bao rahateo izy ka sady hanao vaksiny ilay zanany teraka farany no hanontany momba ny fanohizana ny vaksin’ilay zokiny. Tsy mitovy amin’ny ankizy hafa ilay zanany tsy vita vaskiny fa marary matetika ka tsapany fa ny tsy fahavitany ny vaskiny rehetra no mety antony mahatonga izany. Ny zokiny hafa, nahatody hatramin’ny farany ny fanaovam-baksiny ka matanjaka ary maharaka tsara any am-pianarana, araka ny voalazany.
Efa nampahafatarin’ny AC avokoa ny tombontsoa azo avy amin’ny vaksiny rehetra hatao ny ankizy mialoha ny faharoa taonany sy ny aretina voasoroka.

Nanatontosa : Vonjy Andrianjaka

Partager sur: