Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny vondrona orinasa sinoa, Sinomach, sy ny governemanta malagasy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa) ary ny Raharaham-bahiny (MAE). Votoatin’ ny fiaraha-miasa ny fambolena amin’ny veleran-tany midadasika, ny fananganana fotodrafitrasam-pamokarana sy ozinina fanodinana ary famokarana zezika.
Nilaza ny Sekreteram-panjakana, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, fa mifanojo amin’ny toky nataon’ny filoha Rajoelina Andry hanohanana ny tantsaha ity tetikasa ity. Ho vahaolana mazava hampihenana ny fahantrana sy hampitomboana ny vokatra. Hanova tanteraka ny fomba famokarana eto amintsika ny fisian’ny mpisehatra iraisam-pirenena toy ny Sinomach.
Hamokatra masomboly
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny hamokarana masomboly, tohanan’ny teknisiana ao amin’ny Akademian’ny siansa momba ny fambolena any Hainan. Voakasik’izany ny vary sy ny hafa, toy ny ovy, ohatra. Hiantraika mivantana amin’ny andavanandron’ny tantsaha sy ny Malagasy ankapobeny izany. Tanteraka ity fiaraha-miasa ity vokatry ny fihaonan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny filoha sinoa, Xi Ping, tany Sina, ny septambra 2024 teo. Vonona hanohana an’i Madagasikara hahavita tena ara-tsakafo izahay ary hisy tetikasa maro hafa.
Njaka A.