Fanamiana miaramila: Ifandrombahin’ny firenena vahiny

Nanao fitsirihana teny amin’ilay orinasa mpanjaitra fanamiana miaramila ny minisitry ny Asa, Razakaboana Hanitra Fitiavana, tamin’ity herinandro ity. Nijery ny zava-misy marina manoloana ny vaovao miparitaka izay nilaza fa mampiasa zaza tsy ampy taona ilay orinasa.
Voaporofo nandritra ny fidinana teny ifotony anefa fa tsy misy ny fampiasana zaza tsy ampy taona ary manaraka ny fenitra sy kalitao takina amin’ny orinasa afakaba eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo vokatra vokarin’ireo orinasa ireo.
Ifandrombahin’ny vahiny ny mandefa kaomandy aty Madagasikara noho ny kalitaon’ny zaitra ananan’ity orinasa ity.
Tsy firenena iray ihany anefa no miara-miasa amin’io orinasa io fa firenena maro maneran-tany. Tsy ny fanamiana miaramila ihany no amboarina ao, fa hita ao ihany koa ny fanamiana ho an’ireo zandary, mpamonjy voina na pompier, ireo fanamiana miaro amin’ny nokleary sns…
Tanjon’ny fitsidihana ny hijerena akaiky ireo fepetra sy ny tontolo iainan’ireo mpiasa ao aminy.

Tatiana A

Partager sur: