Niantso ny tokony hitandroana ny voninahitry ny anjerimanontolo ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly. Nandray ireo mpianatra Mafami, ny tenany tamin’izany. “Tsy tokony hanaiky ho atao fitaovana politika ianareo fa tokony ho fitaratra amin’ny fitondran-tena sy hilofo amin’ny fianarana”, hoy izy.
Misaona ny tontolo politika. Nodimandry, omaly ny depiote teo aloha voafidy tany Tsiroanomandidy, Ramaherijaona Hajanirina. Anisan’ny mpanorina ny TGV Bongolava ny tenany ary nanohana ny tanora koa. Mpiahy ny ligin’ny Taekwondo Bongolava koa izy fony fahavelony.
Mitondra anjara biriky hatrany ny MMM eo amin’ny fanamaivanana ny fiainan’ny mpiara-monina. Nanatanteraka ny fanalana nify faobe sy ny fitsaboana ny ativava maimaimpoana ity antoko ity, omaly. Natao teny amin’ny kaominina Vilihazo izany. Efa fanaon’izy ireo izao, ankoatra ny fitaizana ara-potokevitra sy maha olom-pirenena sahanin’ny antoko.
Namboly hazo tao, Mandrosoa, Soamahamania, omaly, ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nitarika izany ny filohan’ity andrimpanjakana ity, Tokely Justin sy ireo birao maharitra ary ireo depiote. Nofidiana ny any an-toerana noho ny faharinganan’ny ala tapia sy ny fahapotehany. Ho fiarovana izany ny nambolena hazo amin’iny faritra iny.