Fitsaboana nentim-paharazana: Mila fehezina ny gaboraraka, misy ireo tsimatimanota

Mahasarika ny Malagasy ny mitsabo tena eny amin’ireo mpitsabo nentim-paharazana. Anjakan’ny gaboraraka anefa izany asa izany ka manao fanairana sy fampahatsiahivana ny minisitera.

Mirongatra ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny asa fitsaboana nentim-paharazana, ankehitriny. Ma­noloana izany, namoaka naoty fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ahafahana manarina ny lesoka.
Tokony hanana taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny minisitera avokoa ireo rehetra manao ny asa fitsaboana nentim-paharazana rehetra. Tsy ekena ny fanaovana izany antsokosoko na dia fanta-daza aza ilay olona manao azy.
Tsy azo atao ny fanaovana dokambarotra na mivantana na ankolaka ny asa fitsaboana na ny mpitsabo manao ilay asa na ny toeram-pitsaboana sy ny karazana fanafody, eny fa na dia petadrindrina aza no atao. Misy tsimatimanota anefa ka manao izany malalaka ary tsy misy fepetra noraisina hatramin’izay fa mandeha mila ho isan’andro amin’ny haino aman-jery ny dokambarotra na ny toeram-pitsaboana na ny fanafody na ilay olona mitsabo.
Voarara ho an’ny mpitsabo nentim-paharazana ny fampiasana fitaovana fampiasan’ny dokotera, mampiasa fitaovana tsy voamarina ara-tsiantifika toy ny bioscan…
Tsy tokony hampiasaina koa ny voambolana medikaly ho an’ny fitsaboana moderina. Tsy azo ampiasain’ireo mpitsabo nentim-paharazana ny fanafody simika izay fampiasan’ny mpitsabo moderina. Voarara ny fomba fiantsoana toy ny dokotera, rasazy, profesora… satria tsy misalotra izany anarana izany ireo mpitsabo nentim-paharazana.
Tsy mahazo fahazoan-dalana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa ireo karazam-piofanana ho an’ny mpitsabo nentim-paharazana satria tsy ianarana ny fitsaboana nentim-paharazana fa lovaina.
Miafara amin’ny fanakatonana ny toeram-pitsaboana ary mitarika amin’ny raharaham-pitsarana ny fandikana ireo raha ny tatitry ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Tatiana A

Partager sur: