Ilaina ny fanavaozana: Ny fototra tsy tokony hiova

Anisan’ny firenena manana « zavatra » tranainy na taloha, maro i Madagasikara. Iray amin’ireny ny hira. Feo aloaky ny vava, zavamaneno, gadona, dihy miaraka aminy raha ilaina, sns. Samy tranainy avokoa. Mila havaozina? Tsy vitsy amin’ny mpihira na tarika mpihira amin’izao fotoana izao no mamerina na mamelona na manavao indray azy ireny. Ireo rehetra maha hira ny hira (tonony, feo, zavamaneno…) no voakitika avokoa. Tsy tokony hiova na hovaina, anefa, ny fototra. Tononkira, feonkira (feon-javamaneno), fomba na­no­nonana ny tononkira, firindran’ny feo, sns, mazava tsara. Na tsy ho tafaverina tanteraka sy iray manontolo aza. Tsy tokony hokitihina ny fototra.
… Ankehitriny, na mazava tsara izao aza fa : «… tiako loatra ianao » ny voalazan’ny tononkira, ny nanononan’ilay tompony azy hatrany am-boalohany. Nanjary « … fa tiako loatsa ianao ». « … Ny zava-drehetra… », nanjary « ny zava-jehetsa… ». Antony lehibe mahatonga ny tranga tahaka ireny ny fanomezan-kasina fatratra ny teny vahiny sy ny fomba fanononana azy ireny. Ny mpihira (na mpanakanto) tanora no tena havanana amin’ny fanovana ny fototra tahaka io. Te haneho ny mpihira tanora, ankehitriny, fa mahay milalao feo maro… Saingy, na ny filatsaky ny faran-teny na ny feo natokana ho an’ny karazan-kira samy hafa, sns. Samy tsy voahaja avokoa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: