Mantasoa: vehivavy Mafia mpangalatra tany nidoboka am-ponja

Mitohy ny ady amin’ny fangalarana tany ao Mantasoa. Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ny olona telo, mpitarika ireo mafia mpampihorohoro ny tantsaha.

Mampikaikaika ny mponina ao Mantasoa ny fangalarana tany. Ny fanadihadiana no nahafantarana fa vehivavy no lehiben’ireo tambajotra any an-toerana. Nan­dritra ny taona maro no nanaovan’izy ireo izany, raha ny fanazavan’ilay vehivavy tompon’antoka tao anatin’ny famotorana azy. Niaiky rahateo izy fa misy olona maniraka.
Niroso tamin’ny fanohizana ny fanadihadiana ny mpanao famotorana, tratra ihany koa ny mpiray tsikombakomba taminy. Maty paika tanteraka ny fomba fanaon’ireo olon-dratsy rehefa hanao ny asa. Manararaotra ny olana eo amin’ny lafiny lalàna mianjady amin’ny olona tompon-tany ilay vehivavy lehiben’ny tambajotra mba hangalarany tany.
Toy ny ara-dalàna, araka izany, ny zavatra ataony ka sarotra ho an’ireo olona niharan’ny halatra ny hanohitra azy.
Anaran’ny mpiasany
Mody ataony amin’ny anaran’ny mpiasany vavy ny taratasy. Ilay mpiasany indray no manome fahefana amina lehilahy iray manao ny dingana re­hetra momba ny fikarakarana. Nisy zavatra tsy mifanaraka araka ny tokony ho izy nataon’ity lehilahy ka antony nahatrarana azy. Tratra ihany koa ilay mpiasa vavy. Ny fanadihadiana ity farany no nahavaky bantsilana ny raharaha. Tra-tehaka ha­tramin’ny atidoha. Anisan’ireo voasaringotra ho mpiray tsikombakomba amin’ity raharaha ity ny vadin’ilay vehivavy le­hiben’ny tambajotrana halatra tany. Efa nisara-bady ara-panjakana anefa izy mivady ireo saingy mbola miara-mipetraka ihany. Ny fanadihadiana hatrany no nahafantarana fa efa ni­sazy tany am-ponja momba ny fangalarana tany koa ilay rangahy. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana lalina amin’ity raharaha ity.

J.C

Partager sur: