Mila mijoro!

 

Trangam-piarahamonina mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny fibodoana tany ataon’ny olona mpanam-bola sy manam-pahefana. Ireo tantsaha any ambanivohitra no mahita faisana. Miseho amin’ny endriny maro ny halatra, manginy fotsiny ny fanambakana. Miaritra ny mafy sy tsindrihazolena ireo marefo sy tsy misy mpiaro. Manao ilay tsindriofalavo ny ankamaroan’ny Mafia.
Ny tena zava-doza, tampidalan-kaleha ny vahoaka madinika. Saika ahitana mpikambana na mpiara-miasa mahatokin’ireo Mafia ny sampandraharaham-panjakana. Tena atody miady amam-bato matetika ny fianakaviana lasibatry ny halatra tany. Mifoifoy volo vao tavafoaka velona, raha tsy maty tapaka lalandra sy fongana fananana.
Tsy an-jaza ny ady rehefa tafiditra ao anatin’ny raharaham-pitsarana mahakasika ny ady tany. Maharitra aman-taonany vao mahita ny rariny raha hahita. Ho an’ny deba kosa anefa dia indray mipi-maso dia mivadika ho bokin-tany ny halatra izay natao. Manjaka ny tsindrihazolena sy ny tsindriofalavo. Tsy tanana handrangotra tokoa, na tongotra hitsipaka.
Manoloana izany, tsara ny mametraka paikadim-pirenena, hamongorana ny mpangala-tany. Efa misy ny toromarika naparitaky ny filohan’ny Repoblika. Misy ny taridalana ataon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany saingy misy koa anefa ny mpanoha randrana, marisarisa amin’ny fanatanterahana izany na ny baiko homen’ny lehibe.
Mitaky fampiharana misimisy kokoa ny lalàna ny vahoaka madinika, araka izany. Tsy ny olana politika ihany no tokony hilofosana ny famahana azy. Zava-dehibe ny fanomezana fanampiana amin’ny filana andavanandro, fa ny fiarovana ny tanindrazana ho an’ny sarambabem-bahoaka. Anisan’ny sosialim-bahoaka, tsy tokony hatao ambanin-javatra ny resaka fananan-tany eto Madaga­sikara. Mila mijoro na ny lasibatra na ny mpitondra fanjakana natao hiaro vahoaka!

r.r

Partager sur: