PAM : Solontena vaovao i Tania Goossens

Tania Goossens no solontena vaovaon’ny fandaharanasan’ ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) eto Ma­da­­ga­sikara. Nanolotra ny taratasy manendry azy amin’izany andraikitra izany tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny tenany tamin’ity herinandro ity, teny Anosy.
Efa niasa teo anivon’ny Pam tany Guatemala sy Pérou izy momba ny fiahiana ara-tsakafo sy ny fahaiza-miarina aorian’ny krizy. Nisahana andraikitra mifandraika amin’ny ady ho an’ny fanjarian-tsakafo koa ity tomponandraikitra ity tany Asia sy teto Afrika ary tany Amerika Latinina.
Vonona ny hanohy ny fanohanana an’i Madagasikara ny Pam, eo ambany fitarihany ka tanjona ny hamaly ny filana momba ny sakafo ho an’ny vondron’olona marefo. Hijery ny asa amin’ny lavitr”ezaka hanampiana ny mponina hiarina taorian’ny krizy ny tomponandraikitry ny Pam. Efa misy ny paikady hotanterahina mandritra ny taona 2024-2028 eto amintsika momba ny sakafo sy ny fiahiana sosialy ary ny tohana ho an’ny vondron’olona marefo vokatry ny fiovan’ny toetr’andro ka hiompana amin’ireo ny ezaka rehetra.

Vonjy

Partager sur: