Hanomboka anio, ao Cape Town, Afrika Atsimo, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny «Challenger series», taranja rugby ho an’olona fito, sokajy Sénior, lehilahy. Anisan’ ireo handray anjara amin’izany ny Makis de Madagascar. Efa any an-toerana hatramin’ny alatsinainy lasa teo izy ireo. Vonona ary ambony ny toe-tsain’ireo mpilalao hiatrika izany. Salama tsara avokoa ry zalahy.
Raha ny fandaharan-dalao, hanokatra ny fihaonana ny fifandonan’ny Makis amin-dry zareo Hong-Kong, Chine. Mitovitovy habe amin’ny Malagasy ry zareo sinoa saingy manantombo eo amin’ny vesatra satria misy mpilalao mavesa-danja. Ny folakandro indray, ny lalao faharoa hikatrohana amin-dry zareo Canadianina. Goavana sady lava ry zareo. Tao anatin’ny fanazarantena no nametrahan’ny mpanazatra ireo paikady entina miatrika ny mpifanandrina. “Nohamafisina aloha ny tanjaka, ny talata sy alarobia lasa teo. Nametraka ny paikady izahay ny alakamisy sy omaly. Na izany aza, hiankina amin’ny lalao hataon’ny mpifanandrina ny paikady fa tsy voatery izay nomanina”, hoy Razily, mpanazatra ny Makis de Madagascar.
Tsiahivina fa ao anatin’ny vondrona “D” ny Malagasy. Miatrika ny manasa-dalana ka midona amin’izay voalohany ao amin’ny sokajy “A”, ahitana an’i Allemagne, Japon, Georgie izay lohany ao amin’ity vondrona misy ny Makis ity. Lalao hatao ny alahady. Miady laharana kosa raha mitana ny laharana faharoa na fahatelo. Tsiahivina fa mbola hisy ny dingana faharoa, hatao ny 7 sy ny 8 marsa, ho avy izao. Manohy ny fifaninanana manaraka ireo firenena 8 voalohany, ny 11 sy 12 avrily, any Pologne.
Tompondaka