SOMBIM-BAOVAO

Nifarana afakomaly, tany Tunisie, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja ping-pong, sokajy lahy sy vavy. Raraka avokoa ny solontena malagasy, nahi­tana an-dRazafinarivo Antoine, Rakotoarimanana Fabio sy Rakotondrazaka Océane ary Andriantahina Gracia. Araka izany, tsy nahazo ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025”, hatao any Macao, Chine, izy ireo.
Maro ny zavatra miandry ny Malagasy amin’ity volana marsa ity. Anisan’ny tena voakasika izany ny resaka baolina kitra. Tsiahivina fa Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny FMF, nirotsaka ho kaomity mpanatanterakin’ny Caf. Eo ihany koa ny lalao hiadiana ny tapakilan’ny Mondial, izay hataon’ny Barea de Madagascar.
Hanomboka anio, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, ho an’ny sokajy ankizy sy vehivavy. Fifaninanana hotontosaina eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ahitana mpandray anjara manodidina ny 400 eo. Haharitra 3 andro ny fifaninanana raha ny fandaharam-potoana.
Efa manomboka tonga tsikelikely any Maorisy ny delegasiona handray anjara amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7. Ani­san’ny efa tonga any an-toerana ireo klioba 3 avy any La Réunion, hatramin’ny omaly. Andrasana kosa ny vaovao avy amin’ny ekipa malagasy izay efa tokony hanainga omaly.

Partager sur: