TSELATRA

Zazalahikely mpianatra iray natelin’ny ranomasina tany Sambava, omaly. Nandeha nanao EPS tao amin’ny stade izy sy ireo mpiara-mianatra aminy, raha ny angom-baovao voaray. Nafana ny andro tamin’io ary nandeha nandro tany an-dranomasina izy. Tsy hita izy avy eo fa nalentiky ny ranomasina, tsy hita. Tonga nanao fikarohana azy io ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana any an-toerana. Mbola tsy hita izy hatramin’ny omaly.
Jiolahy roa lahy avy namaky tsena teo Mahazo no nifanena tamin’ ny zandary mpanao fisafoana ny alin’ny alarobia 26 hifoha alakamisy teo. Nahatrarana enta-madinika isan-karazany tany aminy rehefa nosavaina. Anisan’izany ny vola mitentina 560 000 Ariary. Notazomina natao famotorana eny amin’ny biraon’ny zandary izy ireo. Efa tafaverina amin’ny tompony kosa ireo entana sy vola nangalariny.
Olona 10 voarihorohy, natao famotorana any Antsirabe, noho ny halatra 100 000 000 Ariary. Taorian’ny fitoriana nataon’ny mpandraharaha iray, very volabe tao an-tranony, ny 20 febroary lasa teo. Nidina teny an-toerana nanamarina sy nanao fikarohana ny zandary, Groupement Vakinankaratra. Vokany, olona 10 no tratra sy voarohirohy tamin’ny halatra. Hita tao ihany koa ireo fitaovana sy entana maro samihafa, toy ny moto, solosaina, convertisseur, Panneaux solaires, Batterie, Subwoffer, Telé écran plat. Hita tao koa ny vola mitentina 29 785 000 Ariary sy omby enina.
Lehilahy roa, vaosambotry ny polisy avy amin’ny csp5 omaly tamin’ny 9 ora sy sasany maraina. Tratra nanao sinto-mahery sy nangaro-paosy olona teo amin’ny arret bus teny an-toerana izy ireo. Lehilahy manodidina ny 41 taona sy 37 taona izy ireo. Ankoatra izay, lehilahy iray 29 taona, voasambotry ny polisy avy amin’ny CSP.4 Isotry afakomaly, tamin’ny 4 ora sasany. Tratra nangaro-paosy sy nanao sinto-mahery ihany ko aizy ireo. Efa hanaovana famotorana eny anivon’ny polisy moa izy rehetra ireo.

Partager sur: