VAOVAO TAMBATRA

Miisa 84 ny tokantrano hafindra monina maimaimpoana ao amin’ireo toeram-ponenana vaovao natsangana eny Andavamamba. Hisitraka trano biriky izy ireo, ahitana jiro avy amin’ny herin’ny masoandro raha trano hazo no nipetrahany hatramin’izay. Hisy ny fotodrafitrasa hafa haorina, toy ny lalana, paompin-drano sy toeram-pidiovana, tsena, sns.

Miisa 2 000 ny zana-kazo nambolen’ny ONTM (Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany), omaly, teny Antanety, kaominina Ampanotokana, distrika Ambo­hidratrimo. Nitarika ny fotoana ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Ranaivoarimanana Ionjaniaina, sy ny rantsamangaika isan-tsokajiny amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny asa tanana.

« Miadana ny fiasan’ny orinasa teo aloha, ka mila hafainganina ny fanarenana ny RN2», hoy ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore. Voakasik’izany ny eo Ranomafana hatrany Ambodiboanara. Nomarihiny fa tokony hihatsara, ho vita adiny 6 na 7 ora, ny lalana RN2, mialoha ny fialantsasatra lehibe.

Nahazo ny anjara jiro cobra ny any Mora­manga, omaly. Nisolo tena ny minisitry ny Angovo (MEH), ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Delphin. Nitarika ny delegasionin’ny minisitera MEH, ny tale kabinetra, Randrianiaina Odon. Tafiditra ao anatin’ny fampitomboana avo 2 heny ny fisitrahana herinaratra ity hetsika ity.

Partager sur: