Hita tamin’ny « caméra de surveillance »: Tratra ireo roa lahy nandroba teny Ambodiafontsy

Tsy niandry ela! Andro vitsy taorian’ny nipariahan’ilay horonantsary naneho ilay famakiana trano niharo fandratrana teny Ambodiafontsy Ampitatafika, tratra ireo roa lahy nahavanon-doza. Miandry izay ho sazin’izy ireo ny mpanara-baovao.

Notanana eny anivon’ny borigadin’ny zandarimaria Fenoarivo, omaly, ireo roa lahy nandroba sady nandratra ny zanaky ny tompon-trano tetsy Ambo­diafontsy Ampitatafika. Nanao fikarohana, taorian’ny nahafantarana ny endrik’ireo tsy mataho-tody tao anatin’ny horonantsary voarakitra tao amin’ny trano voaroba ny mpitandro filaminana. Natao ha­zalambo, voasambotra tany Anjeva ny iray raha toa ka tra-tehaka tao Sabotsy Nameha­na ny namany. Atao famotorana izy mirahalahy alohan’ny hanolorana azy eny anatrehan’ny fampanoavana.
Raha atsidika, nitrangana fanafihana tokantrano iray tao Ambodiafontsy Ampiatatafika, ny alakamisy 27 febroary ta­min’ny 8 ora sy sasany alina. Jiolahy roa tsy nisaron-tava, niditra an-keriny tao an-trano. Nandroba ny entana toy ny moto sy fahitalavitra lehibe. Nanatitra mpiasa ny tompon-trano ka ny zanak’izy ireo no nanamparan’ireo tsy valahara vono sy daroka tamin’ny ala­lan’ny “bar à mine”. Nitotaly hatramin’ny 16 tapitrisa Ar ny vidin’entana nalain’izy ireo. Nahatazana ireo olon-dratsy tao ambany rihana nidaroka ny zokiny ny ankizivavy roa ka nohidin’izy ireo ny varavaran’ny efitra.
Anisan’ny tranga nahabe fihetseham-po tamin’ireo rehetra nahita ilay horonan­tsary izy ity. Noho izay fiparitahan’ny ho­ronantsary nahitana mazava ny endrik’ireo jiolahy izay no nanamora ny asan’ny mpitandro ny filaminana. Nahitam-bokatra izany, ka hanentanana ny isan-tokantrano hanamafy ny fiarovana, ary anisany ny fampiasana ny teknolojia toa izao. Anja­ran’ny mpitandro ny filaminana kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny nahavanon-doza, ary an’ny Fitsarana ny tohiny amin’izay mety ho sazy mifanaraka amin’izany.

Tsiferana R.

Partager sur: